Fiteny ao Amerika Avaratra

Ny fiteny ao Amerika Avaratra dia ireo fiteny tenenin' ny mponina ao amin' io ampahan-kôntinenta io (isan' izany i Amerika Afovoany sy ireo nosy Antilia), izay ny ankamaroany dia nampidirin' ireo mpanjana-tany eorôpeana. Taloha dia niely ny fiteny amerindiana, nefa ankehitriny dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ireo fiteny kreôly izay niforona.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search